La Bible en CodeIgniter 4

Ok, le titre est un peu exagéré. Ce que je vais présenter c’est seulement la mise à jour d’un site baiboly.katolika.org en CodeIgniter 4. Ce site a été réalisé d’abord en php brut, puis en CodeIgniter 2, et finalement maintenant en CodeIgniter 4 que je considère, en passant, un Framework bien mûr pour un projet sérieux.

C’est vrai qu’il y a Symfony ou Laravel que j’aime bien aussi, mais la légèreté (matériellement) de CI4 et sa flexibilité, me convainquent plus personnellement. C’est léger, même avec les modules de Composer, la base est vraiment le nécessaire, pas de superflux, et on installe avec un coup de “require” ce dont on a besoin de plus. Et du coup, c’est flexible, je peux créer les fonctionnalités non existantes si je ne veux pas utilisé des composants existants.

Assez parler du framework, le site baiboly.katolika.org est, comme son nom l’indique, un site qui contient une version catholique de la bible en malgache. Ce n’est pas très extraordinaire comme projet, c’est même très simple avec une base de données de livres, chapitres et versets liés entre eux. Mon défi était seulement de transcrire (“parser”) le mode d’écriture des chapitres et versets pour avoir un texte. De pouvoir laisser l’utilisateur écrire quelque chose du genre Matio 5, 1-8.12 (qui voudrait dire livre de Matthieu chapitre 5, versets 1 au 8 et 12) et spécifiant que tout est optionnel de droite à gauche (on peut les enlever un à un).

Un autre petit détail qui ne se trouve pas toujours dans d’autres sites de la bible c’est la continuité des versets. On change de paragraphe seulement quand il le faut, et non à chaque verset.

Et finalement dans le cahier de charge j’ai ajouté la possibilité aux utilisateurs d’enregistrer leurs versets ou textes préférés, comme dans l’application Baiboly Katolika. Et parlant d’application, rien ne change. Les corrections des textes sur le site seront toujours synchronisées avec la base de données de l’application.

Afa-po amin’ny Linux

Efa ho telo taona izay no nampiasako linux tamin’ny ordinatera fampiasako isanandro. Tsy misy windows intsony ao anatiny fa linux mint fotsiny. Tamin’ny voalohany aloha somary sahirana ihany satria anisan’ny mpakafy Windows ny tena ka tsy nahazatra mihitsy ireo fitaovana natolotr’i Linux. Nisy rahateo izay tsy nahitana solony nahafa-po, indrindra ny fanaovana mozika sy video.

Fa rehefa taty aoriana dia nanomboka zatra ihany. Nihafy no marimarina kokoa. Nezahina natao nahavita izay fitaovana atolotry ny Linux, na farafaharatsiny mitady izay mahavita tsara indrindra na dia handoavana vola kely aza. Na izany aza anefa, dia mbola betsaka ireo zavatra vitako tamin’ny nampiasa Windows tsy vitako amin’ny mampiasa Linux intsony… fa nampiononona ny saina hoe zavatra tsy dia tena manan-danja be akory ireny.

Talohan’ny nampiasana Linux ranoray tahaka izao dia efa nisy Linux kely ihany tato anatin’ny ordinatera nampiasaiko. Ubuntu sy Debian no nampiasaiko tamin’izany. Rehefa nisy zavatra tsy vitan’ny Linux dia tonga dia avadika Windows kely…

Fa efa ho telo taona izao dia Linux Mint manontolo no ampiasaiko… ary afa-po aho… na dia tsy tanteraka aza.

Fa ny tena nahafaly ahy androany, nahatonga ahy nanao ity lahatsoratra kely ity, dia tsy ampy ora firy akory dia nahavita nanao upgrade goavana tamin’ny Linux Mint aho. Izany hoe niala avy amin’ny version 18 mandeha amin’ny version 19. Angamba mitovitovy amin’ny hoe Windows 7 miditra Windows 10. Tsy mila DVD na CD, fa commandes vitsivitsy sy internet fotsiny.

Ny lahatsoratra fototra narahiko dia ilay hoe How to Upgrade to Linux Mint 19, nila fotoana kely fotsiny (navelako nandritra ny alina teto) dia vita.

Tamin’ny ni-redemarrer azy fotsiny no nisy olana kely satria saika tsy tafiditra, niverimberina foana teo amin’ilay fampidirana mot de passe na dia efa marina tsara ara ny mot de passe nampidirina. Fa nony nitady tamin’ny internet dia hita ny vahaolana. Ovaina ny permission-n’ny fichier .Xauthority

Dia efa ilay Linux Mint 19 ity ampiasaiko ity amin’izao. 🙂

Kiteny – Jeu malgache sur Play Store

feature_graphic
J’ai donc commencé à développer ce petit jeu de lettre malgache. C’est ma première application jeu pour android, et j’espère que ce ne sera pas la dernière
L’idée vient du fait que j’avais déjà ce type de jeu dans le chat Karajia (mitahia izy fa lasan-ko razana… ou pas). Il y a des lettres proposées et on cherche le mot… en malgache. Toutes les lettres doivent être utilisées, et le mot à deviner est tiré du “Rakibolana Malagasy” (qu’on peut trouver sur rakibolana.org). Vous avez une minute pour trouver le mot, et le point que vous gagnez dépend de votre vitesse.
Le niveau se joue au nombre de lettres à utiliser. Vous pouvez choisir entre 4 lettres, pour les mots plus faciles, jusqu’à 7 lettres, des mots difficiles mais pas impossibles.
Les points que vous gagnez s’accumulent et si vous êtes connectés avec votre compte Google, et que vous avez internet, ils seront enregistrés en ligne pour les comparer avec ceux des autres joueurs.
Si vous ne trouvez pas le mot, vous pouvez voir la solution… avec la définition, bien sûr. Ces définitions sont toujours tirées du site rakibolana.org. Elles ne sont pas parfaites mais dans les prochaines versions du jeu, vous aurez l’occasion de directement les corriger sur place.
Quoi d’autres? Essayez-le et faites-moi savoir vos expériences.
Le jeu est à télécharger sur Play Store:
Merci.

 

Haiko amin’izay ny video tian’ny olona

video_mahaliana

“Ho fisintonana mpijery fotsiny ity”. Izay no soratra voalohany nosoratako tamin’ilay video iray izay navoakako tao amin’ny Youtube hoe Rijade – Drako hely – censurée vao tsy ela akory izay, fa avy eo moa bedy satria hoe rehefa manao zavatra dia mba ataovy tsara. Marina fa nisy votoatiny tsara ny resaka fa teo ihany koa ilay hoe hisintona mpijery. Nisy vokany be tokoa satria tao anatin’ny 24 ora monja dia nahazo mpijery 6000. Sambany ny video nataoko vao nahazo mpitsidika tahaka izany ao anatin’ny iray andro. Na dia eritreretiko hoe mahaliana aza indraindray ny zavatra soratako dia sarotra mihitsy vao mahatratra mpijery 300 anatin’ny iray andro.

Dia niezaka nanao fampitahana aho hoe inona marina izany no tena be mpijery ? Toa ny zavatra heveriko fa maivamaivana, mitsingevangevana, indray no be mpijery noho ny zavatra heveriko hoe mavesa-danja ? Toa ny resaka kidaladala, kiadiady, kilalaolao, no manintona ny olona kokoa noho ny resaka dinidinika ara-kolotsaina, fampitàna hevitra, fanabezana, fifampizaràna traikefa? Inona no antony?

Mbola te hahazo statistika manamarina ireo eritreritro ireo aho dia niezaka nitady ireo “chaînes” malagasy vitsivitsy malaza. Misy tokoa ny tena mahazo mpitsidika be isan’andro. Noezahiko nojerena amin’ny maso tsy miangatra ny votoatin’izy ireny, ankoatry ny hira izay tsy azo lavina fa be mpitsidika, tsy ho an’ny Malagasy ihany fa eran-tany, dia voamarina ny tombatombako. Ny “clash” no mahazo mpijery ambony kokoa noho ny “flash”. Ny zavatra mampiala voly, izany hoe mampihomehy, mampiresaka, mampifalifaly, mifosafosa, mifanenjinenjika, ny toa ireny no be mpijery kokoa noho ny fifampizaràna traik’efa, dinidinika politika, resaka haisoratra, resaka kolotsaina. Toa te hanao hitsin-dalana aho hoe izany tokoa ve no mahaliana kokoa?

Niezaka nitady ny antony aho dia misy vitsivitsy hitako:

  1. Fialam-boly ho an’ny Malagasy ny video. Tsy mbola tena fitaovana nentina hanabe na hampitomboana fahaizana loatra ny video fa mbola fialam-boly aloha, na fanalana azy hoy ny tanora. Izany hoe olona efa vizaka niasa, avy niady amin’ny fiainana no mitsotsotra mijery Youtube ka zavatra maivamaivana sy mahatsikaiky no tadiaviny.
  2. Tsy mahay manintona olona ny mpanao video. Raha efa fantatra ny salan-taonan’ny mpijery, ny karazan’olona mijery (lahy sa vavy sns), ny toerana misy ny mpijery (Madagasikara na andafy), dia tokony atao mifandraika amin’izay ny zavatra avoaka raha te hahazo mpijery.
  3. Tsy présentable ny mpanao video sasany. Hafa mihitsy ny hoe mpanao video vehivavy manja, tsara feo. Na dia tsy marina foana aza izany… ahoana izao i anona sondendandenda nefa be mpitsidika ihany?
  4. etc.

Dia inona izany ny vahaolana entiko raha te hanana mpitsidika betsaka? Alaim-panahy ihany aho hanao video maivamaivana ho fialam-boly. Kanefa mila mandanjalanja ihany koa hoe mpitsidika betsaka ve no tadiavina sa hampita hevitra. Ka ny marimaritra iraisana angamba dia hoe tazonina ho ankamaroany ihany ny votoatiny mahaliana fa indraindray, tena indraindray, asiana video fisintonana mpitsidika mba hahita ny votoatiny hafa ihany koa.

Ary inona no tena mahaliana anao io?

Rohy vitsivitsy:

Ny hevitro momba ity Francophonie ity

Nohazavaiko nandritra ny 3 minitra tao amin’ity video ity ny hevitro momba ny Francophonie izay hatao ato ho ato. Betsaka tsinona ireo hevitra misavorovoro mikasika azy ity, misy ny mankasitraka, misy ny  mitsipaka sy mitady hisakana mihitsy.

Tokony hararaotina ihany ny fanamboarana sy fanadiovana ary fanatsaràna tahaka izao dieny mbola manao ny fanjakàna. Satria raha mbola izao politika izao dia tsy hisy intsony indray ny fanamboarana raha tsy any aoriana be any.

Araka ny vaovao voaray, ny antony tsy hianaran’ny mpianatra dia ny mba hahafahan’ny  mpampianatra azy ireo mitsidika eny amin’ny tananan’ny Francophonie ihany koa.

 

Ny fikambanana Maison des Enfants onlus

Nisy fampirantiana ara-tsary nokararakarain’ny Maison des Enfants teto Roma tamin’ny sabotsy 22 oktobra teo no sady fihaonana fanaon’ny Fikambanana isan-taona amin’ireo mpanohana azy ireo
hiresadresahana ny zavabitan’ny fikambanana hatramizao sy ny tetikasa miandry azy ireo amin’ny taona ho avy io.

Ny fikambanana Maison des Enfants onlus, araka ny anarany, dia mikarakara ireo zaza anaty fahasahiranana tanteraka ao amin’ny fokontanin’ Antohomadinika. Ramatoa italianina efa niasa an-tsitrapo an-taonany maro tamin’ireny fikambanana mpanao asa soa ireny no nanangana azy tamin’ny 2007.

Ankehitriny dia efa manana fiaraha-miasa amin’ny Ministeran’ny Mponina ny Fikambanana.
Miompana indrindra amin’ny zon’ny ankizy ny filamatra entiny : zo hotiavina, zo hovelomina, zo hianatra, zo hotsaboina.

Ny ankizy no raisiny an-tànana, hoy ny tenin’ny Filohan’ny Fikambanana tanaty tamin’ny resaka nataony teo (anaty video), satria ny antsasaky ny mponina ao Madagasikara dia ankizy latsaka ny 18 taona (10 tapitrisa eo ho eo, raha 20 tapitrisa mahery ny isan’ny mponina) ary marobe ny zaza velombelom-poana noho ny fahantrana, tsy manan-kohanina, tsy manan-trano ialofana , tsy afaka miditra am-pianarana, tsy manana fahafahana mitsabo tena, sns.

Ankehitriny dia tetikasa roa no tena iompanan’ny andraikitr’izy ireo :

– Ny voalohany dia ny Centre Mère-Enfant, satria tsy afaka sarahana ireo rehefa miresaka zaza.
Mikendry ny hampihena ny zaza avelavela fotsiny eny an-dalambe sy voatery ampiasaina mba hitondra vola hivelomana izy ity. Manomboka amin’ny 8 maraina ka hatramin’ny 5 hariva ny Centre. Ka ankoatra ny fandefasana any am-pianarana ireo ankizy efa amin’ny taonan’ny miditra an-tsekoly dia eo koa ny fanaraha-maso sy fanampiana manokana ny fianarana ho an’izay somary

tratra aoriana. Eo anilan’izany dia misy ny trano fisakafoanana izay azo lazaina fa sandan’ny fankanesana any an-tsekoly kosa anefa satria tsy ny zaza rehetra no mazoto mianatra. Izany hoe izay mandeha mianatra dia mahazo anjara sakafo izay mody ny hariva. Fa ao koa ny drafitrasa ho an’ireo zaza tena mila fanampin-tsakafo manokana. Ary ny fanaraha-maso ara-pahasalamana.

– Ny faharoa dia ny Maison de Famille izay mifantoka indrindra amin’ireo zaza menavava sy zaza madinika indrindra. Azo lazaina hoe ankohonana kely ho an’ireo zaza nariana na navelavela fotsiny
teny izy ity. Misy 15 mianadahy izy ireo izao.

Satria tsy ho vita anaty Telo Minitra ny miresaka ny antsipirihan’ny momba ny fikambanana dia azonareo atao tsara ny mitsidika ny tranokalany : www.mademada.org na ny pejy facebook “Maison des Enfants Onlus” (https://www.facebook.com/maisonsdesenfantsonlus/?fref=ts)

Marihina fa ireo sary nampirantiana tao dia sangan’asan’i Ny Aina (Ny Aina Andriamampianina)

Ny hevitro momba ny fiaraha-miasa Sinoa ao Madagasikara

Hita amin’ny vaovao sy amin’ny statistika isan-karazany fa mandray anjara amin’ny fampandrosoana firenena maro any Afrika ny Sinoa. Manao foto-drafit’asa maro goavana toa ny lalana, tetezana, fa mampiasa vola hatramin’ny fambolena sy fiompiana koa.

Ao Madagasikara koa nandritra ny taona nifamdimby dia nandray anjara tamin’ireo tetikasa goavana notantanan’ny fanjakana ny sinoa. Na ara-pitaterana tahaka ny lalam-pirenena faharoa izany na ara-panatanjahan-tena tahaka ny nanamboarana ny lapan’ny fanatanjahan-tena ao Mahamasina, sns.

Tsy maimaim-poana daholo ireny tetikasa goavana ireny fa nisy tambiny. Ary na dia tsy fanta-tsika vahoaka loatra aza dia nahafa-po antsika ny asa ka matetika tsy nojerena hoe inona no tambiny notakian’ny sinoa tamin’ireny asa ireny. Ka ny mampa-metra-panontaniana amin’izao fotoana izao dia hoe nahoana no manjary misy kely amin’ny fiarahamiasantsika amin’ny sinoa? Toa ny ao Soamahamanina sy ireto tany fitrandrahana harena an-kibon’ny tany hafa. Toa ny lalan’ny frankofonia izay toa tsy maharitra tahaka ny mahazatra?

Hatramin’izao aloha dia tsy misy afatsy ny hoe “sao dia” no azo lazaina.

  • Sao dia mba tsy tena sinoa fa sinoa foza no niditra antsehatra?
  • Sao dia niova fiasa tokoa ny sinoa?
  • Sao dia Mba nanome tambiny betsaka ny sinoa fa nisy nikepoka?
  • Sao dia tsy misy harena akory ao Soamahamanina?

Anjarantsika izay voakasika mivantana no manao fanadihadiana fa làlana fotsiny ihany ireo. Araka ny nolazaiko tetsy ambony dia tsy fomban’ny fiaraha-miasan’ny sinoa amin’izay toerana andehanany izao fa misy antony ao. Io na ireo antony ireo no ahitsy dia mino aho fa hiravona io ary hisy fandrosoana tokoa avy amin’ity fiaraha-miasa amin’ny sinoa ity.

 

Indro ny horonantsary

Ankaherezo i Awa

Nomeko anarana androany ny vlog fanaoko. Tsy dia hoe ho isanandro akory fa tsy hajanona ela fotsiny.

Ny nolazaiko ao dia mikasika an’i Awa izay “efa miezaka” mihitsy mihiray saingy betsaka ny tsy tia azy noho ny feony sy ny paoziny. Misy mihitsy aza no miteny hoe tsy tokony hihira akory izy. Amiko indray kosa dia tsy tokony omena tsiny avy hatrany izy ireny satria endriky ny ezaka lehibe izay ataony ireny. Tsy ny olona manan-talenta ihany no manao zavatra iray fa ny olona vonona hianatra ihany koa.

Jereo ato ara ny famelabelarako izay hevitro izay

Delestazy sy “ampoule d’urgence”

Nanapa-kevitra aho hoe atao 3 minitra ny vlog fanaoko isanandro. Tena ezahina fa tsy atao tahaka any an’ilay rangahy iray iry nanao fampanantenan’ny mpisotro toaka hoe 3 volana nefa hatramin’izao tsy hita ihany… resaka delestazy io 🙂

Fa miresaka delestazy ihany. Mijaly tokoa ny olona hatramin’izay efa firy taona izao nefa mbola tsisy varany ihany ity delestazy ity. Isaorana aloha ireo mitady vahaolana n’aiza n’aiza atolotra ny Gasy. Saingy misy ihany koa ireo mpanararaotra. Vao hita tsy ela tamin’ny Facebook izao ilay ampoule lazaina fa tsofina dia mandeha, tsy mila angovo intsony. Dia misy koa hoe mandeha amin’ny rano. Dia izay no velabelariko amin’ity video ity.

Nanomboka vlog

Nanomboka nanao vlog aho androany. Ny vlog na video log dia fanangonangonana resaka izay mahakasika lohahevitra maro ao anaty video. Mitovy amin’ny blaogy ihany izany saingy antsary fotsiny. Ny zavatra hotantaraina ao anatin’ity vlog ity dia ny hevitro mikasika ny zavatra mitranga sy ny zavatra iainako na ny zavatra reko sy ny zavatra hitako. Hoezahina hatao tsotra sy fohy ary amin’ny teny malagasy manontolo ny vlog. Atao 3 minitra raha ela indrindra. Ary sady hisy ao amin’ny Youtube (Jereo eto) no hisy ao amin’ny Facebook (jereo eto). Noeritreretiko hoe moramora kokoa ho ahy ny mamelabelatra hevitra raha mivantana amin’ny resaka. Fa hotohizako ihany koa anefa ny blaogy.

Indro ara ny teny fanolorana sy fiarahabana.