Deus Caritas Est…

Deus Caritas Est…

Io no lohatenin’ny taratasy voalohany nosoratan’ny Papa Benoà XVI (na encyclique) izay nivoaka ofisialy omaly 25/01/2005.
Ny fehezanteny voalohany dia ilay hoe "Andriamanitra dia fitiavana, izay mitoetra ao amin’ny fitiavana dia mitoetra ao amin’Andriamanitra, ary Andriamanitra honina ao aminy" (1 Jn 4, 16)
Ny fizarana voalohany amin’io taratasy io dia mampiseho ny maha Andriamanitra ny Fitiavana sy ny maha Fitiavana an’Andriamanitra. Eo aloha ny fahasamihafana sy firaisan’ireo fiantsoana ny fitiavana (ilay hoe Eros sy Agape). Ny endrik’Andriamanitra fitiavana sy ny endrik’olombelona tian’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly sy araka ny finoana. Ny fitiavan’Andriamanitra Ray Zanaka Fanahy Masina sy ny fifankatiavan’ny olombelona.
Ny fizarana faharoa indray dia ny fampiharana izany fitiavana izany eo anivon’ny Fiangonana. Fiangonana miaina ao anaty Fitiavana. Endriky ny firaisan’ny Trinité. Ny adidin’ny Fiangonana amin’ny fampanjakana ny fitiavana ao anatiny sy ny fampielezana izany fitiavana izany amin’ny manodidina azy.

Boky tsotra sy mora vakiana ity taratasy encyclique voalohany ity. Tsy tahaka ny boky hafa nosoratan’ny teolojianina Ratzinger tamin’izy mbola tsy Papa.

Mazotoa mamaky

Hery
http://hery.serasera.org
"Tsiky dia ampy"
Tel +39 338 744 2412

Hanomboka ny offres serasera

Hanomboka hivarotra tsikelikely ao amin’ny serasera ka toa izao ny projet.
– Amboarina aloha ny modules tsena 🙂
– Ny amidy dia espaces publicités ampidirina amin’io modules tsena io
– Manao offres blogs ihany koa ka na gratos + espaces publicités na mandoa vola (amin’ny alalan’ilay tsena ihany)

Manomboka androany no hanamboarana ny modules.