Blog inona?

Tsy haiko intsony hoe inona amin’ireo blog-ko no haseho masoandro
amin’izay. Efa elaela ihany no nanoratra tetsy sy teroa… misy ny
tokony havoaka, misy tokony mbola tsy havoaka… tsy misy tokony
hafenina aloha e. Ny hafenina aza mbola haharihary… ka aleo izaho no
mampiharihary azy alohan’ny hiantsoantsoana azy eny antafontrano. Ny
safidy no mbola olana, iza no haseho rahoviana?
Tsy maintsy iverenana jerena indray aloha ny votoatin’ny blog rehetra
dia atambatra izay tokony hatambatra. Mbola asa be izany.

Root Server II

Limité be loatra ilay Root Server I (ary mbola tapaka sy mi-crash indraindray) dia aleo maka Root Server II mihitsy (1GB RAM). Amin’izay koa mba afaka manao ny Java ny ao amin’ny Tsena LLC.
Ny olana fotsiny dia tsy maintsy nandoa 99$ hanaovana ny setup ho an’ilay Root Server II.
Niakatra ho 90$/mois koa izany ilay Root Server II fa aleo manao an’izay dia mba milamina.
Na izany aza anefa dia mbola mila manao ny optimisation-n’ny forum.serasera.org rehefa misy fotoana.

Hery
http://hery.serasera.org
"Tsiky dia ampy"
Tel +39 338 744 2412