Tetikasa Baiboly – Tohiny

Nanoratra  tany amin’ny baiboly@dts.mg aho. Itsy ambany itsy ny taratasy nalefako. Henoko tamin’ny namana roa (ny iray nandalo tany amin’ny FMBM, ny iray kosa niantso avy aty andafy) fa tsy dia mankasitraka ny tetikasa ny FMBM. Tsy namaly ny taratasiko anefa ry zareo. Angamba fantany ny zavatra havaliko azy.

Koa dia mitohy ihany aloha izany ny fanangonana andininy.

Ho an’ny Mpiandraikitra ny Fikambanana Mpampiely Baiboly Malagasy

Antony: Tetikasa Baiboly an-takelaka internety

Tompoko,
Am-panetren-tena tanteraka no anoratana aty aminareo sy maneho ny fankasitrahana noho ny asa ataonareo eo amin’ny fampielezana ny Tenin’Andriamanitra.
Mahatsiaro ho voakasika ao anatin’izany koa izahay eo amin’izay fahafahana mety hanananay manampy amin’izany asa fampielezana izany.
Izany indrindra no mahatonga anay hifandray manokana aminareo satria izahay dia manana fikasana ny hamoaka ny Baiboly Dikanteny DIEM sy dikanteny Katolika ho azo vakiana amin’ny internet. Izany dia hampidirina ho fanampin’ny dikanteny Protestanta izay efa karakarain’ny baiboly.org. Ny pitsopitsony ara-teknika rehetra dia efa vonona avokoa.
Misimisy ihany ireo namana vonona ny hanampy anay hampiditra ny lahatsoratry ny andininy tsirairay amin’ny Internet kanefa mety ho fanampiana be ho anay raha toa ka efa misy lahatsoratra efa vonona azo ampidirina.
Eo am-piandrasana ny tolo-kevitra avy aty aminareo, dia raiso tompoko ny haja ambony atolotray anareo.
\n
\nHeriniaina Eugene
\nMpiandraikitra ny serasera.org
Tel +39 338 744 2412
\nRome Italie
\n
\n
\n
\n\n\n”,0] ); D([“ce”]); //–>
Heriniaina Eugene
Mpiandraikitra ny serasera.org
Tel +39 338 744 2412
Rome Italie

Annunci

Rispondi

Inserisci i tuoi dati qui sotto o clicca su un'icona per effettuare l'accesso:

Logo WordPress.com

Stai commentando usando il tuo account WordPress.com. Chiudi sessione / Modifica )

Foto Twitter

Stai commentando usando il tuo account Twitter. Chiudi sessione / Modifica )

Foto di Facebook

Stai commentando usando il tuo account Facebook. Chiudi sessione / Modifica )

Google+ photo

Stai commentando usando il tuo account Google+. Chiudi sessione / Modifica )

Connessione a %s...