Mahaiza manontany…

Mahita ny Dinika tato ho ato aho… dia betsaka ny manontany. Inona no mahatonga…? Nahoana ny … no … ? Ahoana ny hevitrareo amin’ny…? Raha …. dia ahoana ny…? sns.
Dia lasa ny eritreritra (mandalo) sady mbola fanontaniana indray. Ahoana no tena fametraka fanontaniana? 🙂
Ireto misy valiny vitsivitsy :
1. Omeo valiny hifidianana ny olona
Ho an’izay efa nandalo klasy ambaratonga faharoa fototra (na Sé é zé) dia toa moramora kokoa ny mamaly rehefa ilay misy Tsabo telo iny (vaintisety de boka) toa izay ilay fanontaniana iray fotsiny. Ohatra le hoe Iza amin’ireto no renivohitr’i Kenya : – Kartoum – Nairobi – Paris 🙂 Raha miresaka dia azo atao hoe efa mba taritinao kokoa ny sain’ny olona hamaly fa tsy voatery haminavina be loatra… mahatonga azy tsy hanome valiny na hanome valiny tsy andrasanao.
2. Omeo aloha ny hevitrao
Ny olona mametraka fanontaniana matetika dia efa misy valiny ao an-dohany ao fa mila fanamarinana avy amin’ny hafa izy. Raha izay dia tonga dia lazao aloha ny hevitrao vao manontany ny hafa.
Ohatra: Ny fitiavana amiko dia fanoloran-tena ho an’izay tiana sns… ahoana no mba fiheveranao izany?
Amin’izay mantsy dia manohitra na manamarina anao ny olona.
3. Apetraho ny antony mahatonga anao mametraka fanontaniana
Rehefa mametraka fanontaniana ianao dia aza heverina hoe azon’ny olona avy hatrany ny antony mahatonga ny fanontaniana. Ianao ihany no tena mahalala ny seho (contexte) nahatonga ilay fanontaniana. Tsara, noho izany, raha apetrakao aloha io seho nahatonga ny fanontaniana io.
Raha hanontany hoe “Inona no atao hoe fitiavana?” dia mivelatra be ny mety ho valiny. Ka tokony hasiana fampidirana hahafantaran’ny olona ny antony mahatonga ilay fanontaniana. Ohatra hoe, “Nisy olona iray izay notiaviko, afaka 5 volana anefa dia fantatro fa tia olon-kafa koa izy. Izy anefa mbola miteny foana hoe tia ahy. Inona marina no atao hoe fitiavana?”
Raha tahaka an’io dia hahazo valiny mahitsy sy mifandraika amin’ny ilainao kokoa ianao.

Alao hery ary… manontania… fa mahaiza manontany dia hahazo valiny ianao.

Annunci

Rispondi

Inserisci i tuoi dati qui sotto o clicca su un'icona per effettuare l'accesso:

Logo WordPress.com

Stai commentando usando il tuo account WordPress.com. Chiudi sessione / Modifica )

Foto Twitter

Stai commentando usando il tuo account Twitter. Chiudi sessione / Modifica )

Foto di Facebook

Stai commentando usando il tuo account Facebook. Chiudi sessione / Modifica )

Google+ photo

Stai commentando usando il tuo account Google+. Chiudi sessione / Modifica )

Connessione a %s...