Mifindra trano

Manomboka mifindra trano amin’izao fotoana izao. Efa voapirina daholo ny entako. Efa zatra mifindra trano ihany aho hatramin’izay satria efa nozarina tsy nitombona tamina toerana iray, ary efa nizatra nandamina samy irery ny entako ka mora ho ahy ihany ny nandamina ny entana. Ny hany tsy nampitovy ny fifindran-tranoko taloha sy amin’izao fotsiny dia tsapako hoe be loatra ny entako amin’izao. Ny isan’ny bàn-kiraro fotsiny dia efa paires be dia be. Taloha anefa paires 4 raha be indrindra dia mora sasaina sy mora alamina. Toa izany koa ny akanjo. Mavesatra loatra… sa izany angamba ny fiainana aty ivelany… manaraka ny toetr’andro.
Anisan’ny zavatra tena tsy nahazatra ahy ihany koa ny fanariana akanjo. Androany aho vao hanary pataloha iray sy akanjo iray. Zavatra tsy mba fanaoko mihitsy izany hatr’izay… na dia hoe nanana aza. Hitako hoe misy zavatra tsy mety ao. Nahoana aho no voatery hanary akanjo? Manana mihoatra ny tokony ho ilaiko ve? Ary ahoana ireo olona izay zara raha mitafy? Angamba noho ny fanarahana be loatra ny esprit de consommation dia manjary mividy zavatra be loatra dia avy eo mahatsapa hoe tsy ilaina intsony ny zavatra sasany.
 

Annunci

Rispondi

Inserisci i tuoi dati qui sotto o clicca su un'icona per effettuare l'accesso:

Logo WordPress.com

Stai commentando usando il tuo account WordPress.com. Chiudi sessione / Modifica )

Foto Twitter

Stai commentando usando il tuo account Twitter. Chiudi sessione / Modifica )

Foto di Facebook

Stai commentando usando il tuo account Facebook. Chiudi sessione / Modifica )

Google+ photo

Stai commentando usando il tuo account Google+. Chiudi sessione / Modifica )

Connessione a %s...